Actualité

MIANTSO IREO TOMPON'ANDRAIKITRA EO ANIVON'NY MINISTÈRE FAHASALAMAM-BAHOAKA MBA HIJERY AKAIKY NY SEHITRY NY FAHASALAMANA sy IREO FITARAINANA MARO

28/02/2026
23:35
1 commentaires
1 réactions
MIANTSO IREO TOMPON'ANDRAIKITRA EO ANIVON'NY MINISTÈRE FAHASALAMAM-BAHOAKA MBA HIJERY AKAIKY NY SEHITRY NY FAHASALAMANA sy IREO FITARAINANA MARO
MIANTSO IREO TOMPON'ANDRAIKITRA EO ANIVON'NY MINISTÈRE FAHASALAMAM-BAHOAKA MBA HIJERY AKAIKY NY SEHITRY NY FAHASALAMANA sy IREO FITARAINANA MARO

❌ Hita sy tsapa fa mbola tsy mipaka amin’ny toeram-pitsaboana rehetra eto Madagasikara ny fanovana andrasan’ny maro. ❌
👉 Tsy ampy ny mpiasan’ny fahasalamana, indrindra eny amin’ireo toeram-pitsaboana miankina amin’ny fanjakana. Vokatr’izany dia mitarazoka ny asa sy ny fitsaboana, ka hita manerana ny faritra maro eto Madagasikara izany olana izany.
👉 Mbola olana goavana ny jiro sy rano eny amin’ny hopitaly maro, anisan’izany ireo hopitaly lehibe. Misy fiantraikany mivantana amin’ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana izany.
👉 Tsy ampy na tsy zarizary ny fitaovana any amin’ny toeram-pitsaboana sasany. Misy ihany koa anefa ny manana fitaovana saingy tsy ampy fiofanana ny mpiasa sasany hampiasa azy ireny araka ny tokony ho izy.
👉 Ireo olana rehetra ireo mitambatra no miteraka fahasorenana sy tsy fahafaham-po eo amin’ny mpitondra marary, ny marary ary ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny. Izany no mahatonga ny olona hitaraina sy hizara ny zavatra niainany teny amin’ny hopitaly.
👉 Misy norme tokony harahina momba ny isan’ny marary zakain’ny mpitsabo iray. Indrisy, tsy voahaja izany eto amintsika, ary efa an-taonany maro no niainan’ny sehatra ireo olana ireo. Tsy vao androany akory no nisy izany, ary efa nisy hatrany ny tolona nataon’ny mpitsabo, ny tanora ary ny taranaka Gen Z nitaky fanovana.
👉 Mampalahelo anefa fa indraindray, rehefa misy sahy maneho hevitra na miresaka mivantana momba ny zava-misy, dia mety hiatrika fanerena na fitoriana. Tsy tokony ho saziana ny fanehoan-kevitra mitondra vahaolana sy mikendry fanatsarana.
❌ Ilaina ny fanomezana fiofanana momba ny fandraisana olona (accueil) ho an’ny mpiasa rehetra eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, indrindra eo anatrehan’ny marary sy ny fianakaviany.
Misy indraindray ny:
mitrerona,
tsy manazava mazava,
mamaly amin’avona,
na mikitakita.
Marina fa misy ireo mpiasa tena mandray tsara sy manaja marary, saingy mbola vitsy an’isa.

Présidence de la Refondation de la République de Madagascar - PRRM GEN Z🇲🇬EN Z🇲🇬
@gen_z_madagaGen Z Toamasinaoamasina
#Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka
#benevolat
#mpitsabo
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
1
Connectez-vous pour laisser un commentaire
U
Utilisateur 01/03/2026 à 15:46
Marary tena marary