🗓️28 Febroary 2026
📍Lapan'i Mahazoarivo
Fihaonana teo amin'ny Minisi-panjakana sy ny delegasiona avy amin'ny SADC : nampahafantarina ny ho fizotran'ny Fikaonandoham-pirenena ho amin'ny Fanavaozana
đź“‘Nandritra ny tolakandron'ny sabotsy 28 Febroary no nampahafantarin'ny Minisi-panjakana Me Hanitra Razafimanantsoa tamin'ireo mpikambana anatin'ny delegasionan'ny SADC ny antontankevitra fampahafantarana ny dingana efa vita sy ny tetiandro ho an'ny Fikaonandoham-pirenena hitondra ho any amin'ny Repoblika faha-5. Izany dia mifanindran-dĂ lana amin'izay voarakitra ao anatin'ny "Fandaharan'asan'ny fanavaozana" izay navoakan'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika.
👉Tsy fifanarahana ara-politika no hatao fa fametrahana fomba "mampiaty" hampandraisana anjara ny olona rehetra amin'ny sehatra maro isan-karazany.
👉Ny hevi-dehibe rehetra hitondra ho amin'ny Fanavaozana dia hatao teny hierana amin'ny olom-pirenena rehetra mandritra ny fikaonandoham-pirenena hoy ny Minisi-panjakana.
âś…Etsy ankilany, ny delegasiona avy ao amin'ny SADC dia nanamafy fa tsy hibaiko ny fanjakana malagasy no anton-diany fa hanohana sy hanome tĂ nana amin'izay dingana holalovana.
âś…Haharitra herinandro ity iraka avy ao amin'ny SADC ity ary mbola hiverina izy ireo ny volana Mai 2026.
👥Nanatrika ity fotoana ity ihany koa ny mpandrindra ankapobeny lefitry ny "Conseil consultatif"
Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier Ă commenter !