Taorian’ny tranga niseho teto amin’ny firenena tamin’ny 25 Septembre 2025, izay nitakian’ny vahoaka ny zo fototra amin’ny fisitrahana ara-dalàna ny jiro sy rano, indrindra fa ny tanora GenZ.
Niara-nivondrona teny an-kianja ny tanora, nampiray feo, nanambatra hery, ary nanapa-kevitra fa tsy hijanona amin’ny fitakiana tsotra fa hiroso amin’ny lalàna sy rafitra ara-dalàna.
👉 Noho izany dia teraka ny fikambanana “GenZ Madagascar”, izay:
• Niorina ara-dalàna tamin’ny 16 Octobre 2025
• Efa nahazo récépissé ofisialy
• Manana rafitra mazava sy tanjona hentitra
• Miezaka mampivondrona ny GenZ manerana an’i Madagasikara
Ankehitriny, efa akaiky ny tanjona:
🔥 Ho iray feo ny GenZ manerana ny Nosy.
Tsy niova ny fotokevitra:
✔️ Arofanina ny fitondrana
✔️ Tsy hisolelaka na oviana na oviana
✔️ Hiteny rehefa misy tsy mety
✔️ Hihetsika rehefa voahitsakitsaka ny zony
✔️ Hidera kosa rehefa mendrika sy mifanaraka amin’ny fitakian’ny vahoaka ny fomba fintondrana ny firenena
⚠️ FANAMARIHANA:
Raha misy pejy mitovy anarana aminay, dia ity no pejy tokana ofisialy nampiasainay hatramin’ny nisian’ny tolona tamin’ny 2025 ka hatramin'izao
Azo jerena sy hamarinina ao amin’ny "Historique" izany.
💬 Tsy milaza izahay fa izahay irery no GenZ.
Fa milaza izahay fa izahay no tsy misolelaka, ary tsy hisolelaka fa mijanona ho "balise" .
Gen Z Madagasikara est une communauté dynamique de jeunes passionnés
qui œuvrent pour le développement de Madagascar à travers des projets
innovants et fédérateurs.