Actualité

‼️⭕ 𝗡𝗔𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔 #𝗡𝗘𝗦𝗢𝗥𝗜𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗜𝗕𝗘𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗢 #𝗚𝗔𝗟𝗢𝗡𝗔 𝗞𝗜𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 𝟯 𝗡𝗜𝗦𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗔𝗡𝗬

12/03/2026
07:46
0 commentaires
0 réactions
‼️⭕ 𝗡𝗔𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔 #𝗡𝗘𝗦𝗢𝗥𝗜𝗡𝗬 𝗔𝗠𝗣𝗔𝗛𝗜𝗕𝗘𝗠𝗔𝗦𝗢 𝗜𝗥𝗘𝗢 #𝗚𝗔𝗟𝗢𝗡𝗔 𝗞𝗜𝗡𝗧𝗔𝗡𝗔 𝟯 𝗡𝗜𝗦𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗔𝗡𝗬
Nesorina ampahibemaso ny galona sy ny #fanamiana tsy ara-dalàna nampiasain’ny #mpandraharahan_ny_fonja iray ity, ho fanamafisana ny fanajana ny lalàna sy ny hasin’ny sata mifehy ny fandraharahana ny fonja. Notanterahina omaly 11 martsa 2026 tao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana izany, teo anatrehan’ny mpiasa.
📌Nanamafy ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fitsarana fa tsy azo ekena ny fandikana fitsipika ao anatin’ny rafitra. Nambarany fa hisy hatrany ny fepetra raisina amin’izay mandika lalàna, satria heloka henjehin’ny lalàna ny #fisandohana_galona sy ny fitondrana fanamiana tsy ara-dalàna. Ity lehilahy ity raha tsiahivina dia miseho fahitalavitra matetika manao fanambarana miaraka amin'ireo fanamiana sy galona sandoka maha mpandraharahan'ny fonja azy.

©️Min justice
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !