🟢𝗙𝗶𝘁𝗮𝗿𝗮𝗶𝗻𝗮𝗻𝗮 𝘃𝗼𝗮𝗿𝗮𝘆 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝘁𝗮𝘅𝗶𝗯𝗲 𝟭𝟱𝟬
Omaly talata 10 Martsa raha naka taxibe 150 teo Ankadimbahoaka ho any Ivandry ity vehivavy iray dia avy hatrany tonga dia nanosika mafy ilay receveur, tsy namela an'ity ramatoa hiditra kanefa olona 10 teo no tao anatiny.
Raha tsy nitazona mafy ny seza tao anatin'ilay taxibe izy dia nipitika mafy sy nianjera ka mety naratra mafy na maty mihitsy sanatria satria sady mandeha mafy ihany ilay taxibe.
Be dia be ny taxibe eny Ankadimbahoaka sy Tanjombato indrindra 150 sy 199 ireny manao izany indrindra raha fantany fa somary lavidavitra vao miala ka mba mila fandraisana andraikitra tompoko.
Mangana ny tanan'ilay madama ary tsy afaka niasa androany fa manaintaina mafy.
Soa ihany hoy izy fa nisy lehilahy hafa niaraka taminy tanaty taxibe tao mba niaro azy fa raha tsy izany dia tena tsy namelany mihitsy raha tsy nivoaka.
5922 TBN ny laharan'ilay taxibe 150
Gen Z Madagasikara est une communauté dynamique de jeunes passionnés
qui œuvrent pour le développement de Madagascar à travers des projets
innovants et fédérateurs.
Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !