Actualité
Malama maina ny tany, ka izay tsy mahay mamindra dia mora solafaka.
Malama maina ny tany, ka izay tsy mahay mamindra dia mora solafaka.
Ny mahagaga anay anefa dia izao:
tena tsy mahita ve ilay mpitondra , sa minia mikipy sy manampitsofina?
Mbola ekena indray ve izao ny hivoahan’ny anaran’ny Praiminisitra avy ao amin’ny Antenimieram-pirenena?
Fantatry ny rehetra anefa fa maro amin’ireo ao no forongony, lany tamin’ny fifidianana tsy mangarahara ary tsy safidin’ny vahoaka akory.
Tsy mahagaga raha izao no mahazo ny firenena.
Rehefa mbola safidin’ireo forongony no ekena sy arahina, dia izao no vokatra iainan’ny vahoaka.
Aiza ve ka olona toa an-dry Lanto Rakotomanga, ry Naivo kely, ry Ratsivahiny sy ny karaza-porongony tsy voatanisa ao fa tena maro be ao no mbola omena alalana hifidy ny olona itarika ny governemanta eto ihany
Ao no atsoinay oe tranoporogony na foibe ny forongony
Mampametra-panontaniana izany:
Bado ve sa manabado vahoaka ianareo?
Eo anatrehan’izany rehetra izany dia mbola hita miriaria sy manao ny asany ratsiny ara-dalàna ihany ireo olona ireo ka anisany heno matetika LANTO RAKOTOMANGA.
Tsy misy fisamborana, tsy misy fanadihadiana mazava, fa toa avela handeha malalaka.
Tsiahivina anefa fa olona manimba ny firenena ny mpanao kolikoly ary mpanitsakitsaka ny lalàna ireo, ka tokony hisy fepetra hentitra sy mazava raisina amin’izy ireo.
Raha vonona hiara-hijoro amin’ny fanarenana ny firenena ianao, dia ireto no takiana mazava:
SAMBORY IREO FANETRIBE NY FIRENENA
ALAVIRO NY KOLIKOLY
OVAY NY FANAOVANA POLITIKA MALOTO
RAVAO NY ANTENIMIERAM-PIRENENA, NY SÉNAT ARY NY HCC (CENI EFA VOAJEDAKA)
OVAY NY RAFITRA
FONGORY IREO MAFIA IREO
MIALA FRANTSAY
Fotoana izao hanarenana ny firenena sy hananganana rafitra madio sy mangarahara, ho tombontsoan’ny vahoaka sy ny taranaka ho avy.
Ho an’i Tanindrazana.
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !