Actualité

Maître Gims

26/03/2026
11:50
0 commentaires
0 réactions
Maître Gims
🚨VOASAMBOTRA OMALY ALAROBIA
TAO PARIS i Maître Gims
na Gandhi Djuna‼️

▫️Omaly Alarobia,
vantany vao tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina Paris-Charles-de-Gaulle, ao Frantsa ny mpanakanto Frantsay fanta-daza Maître Gims
dia nosamborina avy hatrany.

👉 Voarohirohy amina resaka famotsiam-bola sy fanodikodinana hetra,
amin’ny alalan’ny orinasa maro any ivelany izy ary miray petsapetsa amina jiolahy.

▫️ Misokatra ihany koa ny fanadihadiana azy mikasika ny tetikasa lehibe, fanorenana trano lafo vidy any Marrakech #Maroc, mitondra ny anarana Sunset Village Private Residences,
izay voalaza fa hiandraiketany.

👉 Tao aorian'ny fisamborana azy dia voatazona eny anivon’ny mpitandro filaminana i Gims amin’izao fotoana.

Nana Rabe
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !