Actualité

Une message

16/04/2026
01:55
0 commentaires
0 réactions
Gen Z malala,

Anisan’ny manakana sy manimba ny fampandrosoana ny firenentsika ny tsy rariny mitranga any amin’ny tontolon’ny fampianarana ambony. Misy amin’ireo mpampianatra eny amin’ny oniversite no mampiasa tsindry hazo lena amin’ny mpianatra: fanilikilihana, fandroahana tsy ara-drariny, fampitahorana mandritra ny fanadinana, ary fanindriana olona amin’ny fomba maro samihafa.

Mampanahy indrindra ny fanararaotam-pahefana ataon’ny sasany. Ohatra, any amin’ny Université de Vakinankaratra, nisy mpampianatra iray nandroaka mpianatra noho ny fahatarana 30 segondra monja, ary mbola misy koa ny fampiakarana naoty (codis) tsy misy antony mazava.

Tsy tokony hangina isika manoloana izany. Ny fampandrosoana marina dia tsy ho tratra raha tsy misy fahamarinana, fitoviana ary fanajana ny zo fototry ny mpianatra.

Gen Z, andraikitsika ny mijoro, mitaky rariny, ary miaro ny hoavin’ny taranaka.

#Rariny #Fanabeazana #GenZMadagascar
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !