Actualité

KOLONELY PATRICK Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy

20/04/2026
05:45
0 commentaires
0 réactions
KOLONELY PATRICK Naiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy
Fiantsoana ny tafika hikomy,
17-avril-2026
fandrahonana filoham-panjakana, fanohintohinana ny filaminana anatiny, fanakorontanana saim-bahoaka...Santionany amin'ireo vesatra mety hiampangana ny kolonely Rakotomamonjy Patrick ireo. Raha ny vaovao niparitaka nanomboka omaly hariva moa dia hoe voasambotra ity manamboninahitra ity. Teratany Frantsay iray sy Malagasy miisa 4 no efa nosamborina ny alarobia teo raha araka ny fantatra ary nitohy tamin'ny fahatrarana an'i Kolonely Rakotomamonjy Patrick androany ny fitsongòn-dia. Nampidirina am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy halina ihany ity manamboninahitra ity. Ny zandarimariam-pirenena moa no nisambotra azy. Vao ny alarobia 15 aprily maraina teo izy no naneho hevitra sy nanao karazana ampamoaka tao amin'ny facebook ka nanizingizina hoe tsy hahita ahy izany ianareo; hita taratra tamin'ny firesany fa eto Madagasikara ihany izy aloha ary tsy dia hoe lavitra be any anaty ala fa amina toerana misy "réseaux" tsara matoa afaka mamoaka video eo amin'ny facebook. Ny andrasana izao dia ny hoe iza avy ireo nanampy ny kolonely Patrick ary ahoana sy ahoana avy ireny zavatra noteneniny ireny. Diso avokoa ve sa misy ampahany mitombina. Andrana izay ho fivoaran'ity raharaha kolonely Patrick ity.
RTT
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !