Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Fivondronamben’ny Eveka
14/05/2026
05:41
0 commentaires
1 réactions
Nivoaka tamin’ny fahanginany ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ka nanambara fa maro ireo olana lalina mahazo ny firenena ankehitriny.
Araka ny fanazavan’ny Sekretera Jeneraly, Mgr Rakotoarisoa Jean Claude, dia tsy hita taratra intsony ilay “fanavaozana” nampanantenaina, satria mbola manjaka ny fahasahiranam-bahoaka sy ny tsy rariny.
Nasongadin’izy ireo ny fiakaran’ny vidim-piainana, ny fahorian’ny tantsaha, ny tsy fandriam-pahalemana ary ny kolikoly. Nomarihina ihany koa ny ady seza politika, ny kiantranoan-trano, ny fampanginana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana, ary ny fanindrahindrana tafahoatra ny mpitondra.
Naneho ahiahy ihany koa ny Eveka momba ny fahatongavan’ny vahiny maro sy ny tsy fisian’ny drafitra politika mazava ho an’ny fampandrosoana ny firenena.
Araka izany, niantso ny mpitondra izy ireo mba handray fanapahan-kevitra amim-pitandremana sy hanome lanja ny tombontsoam-bahoaka sy ny ho avin’ny taranaka Malagasy.
Gen Z Madagasikara est une communauté dynamique de jeunes passionnés
qui œuvrent pour le développement de Madagascar à travers des projets
innovants et fédérateurs.
Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !