Manoloana ny savorovoro ara-politika sy ara-tsosialy misy eto amin’ny firenenena, ary noho ireo fanaratsiana sy fanakorontanana samihafa miseho amin’izao fotoana izao, dia manao izao fanambarana izao izahay Gen Z maadagascar ofisialy sy ireo tanora miara mivondrona aminay
Voalohany manameloka amin’ny endriny rehetra ny fanakorontanana sy ny hetsika mety hanohitohina ny filaminambahoaka sy ny fampandrosoana izahay,
Tsy ilaina ny savorovoro sy ny fifandirana mety hanohitohina ny filaminambahoaka,
Faharoa araka ny efa nodradradradraina teny an-kianja ho amin’ny fanovana ny rafitra, dia mangataka izahay ny hanatanterahana faran’izay haingana ny fikaonandoham-pirenena alohany farany volana JOLAY, izay andraisan’ny hery velona rehetra anjara, indrindra fa ny tanora miainga hatrany ifotony. Mba ahafahana mandrava ireo rafitra efa maty, indrindra fa ny Antenimieram-pirenena, izay tompon’andraikitra tamin’ny fandaniana lalàna mampahory sy tsy mitsinjo ny vahoaka, ka niteraka tsy fitoniana teo amin’ny firenena sy ny fiarahamonina.
Ahafahana ihany koa mamolavola sy manomana ny Lalàm-panorenana ary Lalàm-pifidianana ho an’ny Repoblika faha-5.
Farany, manameloka ny endrika fanakorontanana sy fanonganam-panjakana izahay ato amin’ny GEN-Z Madagasikara Ofisialy.
Ary miantso ny vahoaka malagasy rehetra mba ho tony mandrakariva amin’izao ankatoky ny fetim-pirenena izao, ary mba hifety an-kafaliana sy am-pilaminana ho ny rehetra
MITSANGANA RY TANORA
TE HIOVA FIAINANA FA TSY TE HIOVA FIRENENA
HO ANI TANINJANAKA
Gen Z Madagasikara est une communauté dynamique de jeunes passionnés
qui œuvrent pour le développement de Madagascar à travers des projets
innovants et fédérateurs.
Mijoro fona wan tanindrazana