Actualité

FANONDRANANA BIBY

18/06/2026
00:40
0 commentaires
0 réactions
FANONDRANANA BIBY
🚨 Kalalao Malagasy an’aliny maro tratra naondrana antsokosoko tany Aostralia

Nahitana kalalao maherin’ny 100 000 tao amin’ny toeram-piompiana iray any Bathurst, araka ny fanadihadiana nataon’ny manampahefana aostralianina tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Ny ankamaroan’ireo bibikely ireo dia ny Gromphadorhina portentosa, na ilay kalalao misioka malagasy, karazana tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara.

Malaza maneran-tany ity karazana kalalao ity noho ny habeny izay mety hahatratra 8 santimetatra, ny feo misioka avoakany ary ny androm-piainany izay mety haharitra hatramin’ny dimy taona.

Tombanana ho mahatratra 200 000 dolara mahery ny sandan’ireo bibikely tratra ireo. Nambaran’ny manampahefana aostralianina fa mety hiteraka loza ho an’ny tontolo iainana sy ny zavamananaina ao an-toerana izy ireo raha sanatria ka tafaporitsaka any anaty natiora.

Noho izany antony izany dia noraisina ny fanapahan-kevitra hamonoana ireo kalalao rehetra hita tao amin’ilay toeram-piompiana, ho fiarovana ny tontolo iainana sy ny karazam-biby ao Aostralia. 🇲🇬➡️🇦🇺

#Biby
#ZavaBohary
Réagissez à cette actualité
Connectez-vous pour réagir à cette actualité
Commentaires
0
Connectez-vous pour laisser un commentaire

Aucun commentaire pour le moment. Soyez le premier à commenter !